Taizam-baiboly
I Mompera Venansy
Ka tsy hanambady intsony;
Taizan-katesizy
Le Mompera Venansy
Ka vato izao ny Fony;
Tsy lalovam-behivavy ny fandrianany,
Sarin’i Maria miandry an-dohampandrianany;
’Zany e ka izany a,
Tena mpanompon’Andriamanitra anie (2)
Renin’ny kamboty
I Masera Terezy e,
Ka tsy tia olon-dehibe,
Ny fitiavany iny,
Ka tsy ho antsika intsony
Fa ho an’i Razezo anie,
Nefa olona vita nofo sy rà,
Tsy mba mety mitia lehilahy,
’Zany e ka izany a,
Tena mpanompon’Andriamanitra anie (2)
Dia nifankahita
I Venansy sy Terezy,
Dia,
Zany e ka zany a,
Tena mpanompon’Andriamanitra anie (2)
AVE MARIA